Info FKMSM : www.fkmsm.ch Info projet: projet@fkmsm.ch E-mail : comite@fkmsm.ch
Fiangonana Kristiana Malagasy eto Suisse sy ny Manodidina (FKMSM)
Eglise OEcuménique Malgache en Suisse et aux Environs
__________________________________________________

IREO FEPETRA MIFEHY NY FANOHANANA NY TETIK’ASA AVY ANY MADAGASIKARA
(notsongaina avy tamin’ny Fitsipika anatiny mifehy ny FKMSM)
Andininy 42 – Ny tetik’asa mifanaraka amin’ny voatanisa manaraka ireto ihany no hotohanan’ny
FKMSM :
– Tetik’asa tsy manavaka finoana, foko, fihaviana na firehana politika
– Tetik’asa mitondra soa ho an’ny maro ary tsy voafetra ho an’ny antokon’olona vitsivitsy
– Tetik’asa ahafahana mahita miavaka ny fandraisan’anjaran’ny FKMSM, araky ny « devis
détaillé » izay tsy maintsy alefan’ny mpangataka fanampiana
– Tetik’asa mifanaraka amin’ny ho enti-manana ao amin’ny FKMSM. Amin’ny fanapahana ny
tetik’asa hotohanana dia :
– Ny tetik’asa madinika (microprojets) no omena toerana bebe kokoa noho ny tetik’asa goavana
(mégaprojets de centaines de millions d’Ariary)
– Ezahina ny hivelaran’ny tetik’asa tohanana eran’ny nosy sy ny antokom-pinoana samihafa
Andininy 42bis – Fe-potoana andraisana ireo fangatahana :
– Daty fandraisana fangatahana : hatramin’ny 30 Oktobra
– Fampitàna valiny avy amin’ny FKMSM : volana Novambra
– Fandefasana vola : aorian’ny famaliana ny taratasin’ny FKMSM manotany raha mbola mitombina
ny fangatahana.
Andininy 42 ter – Fepetra fampiasana ny vola nomena
– Tsy azo ampiasaina amin’ny asa hafa ankoatrin’ny voasoratra ao amin’ny taratasy fanekena ny
vola nomena
– Tokony mandefa taratasy na mailaka manaporofo fa voaray ny vola fanampiana, misy sonian’ny
tompon’andraikitra
– Tokony mandefa tatitra voalohany amin’ny fizotrin’ny asa alohan’ny volana jiona ary tatitra
faharoa alohan’ny volany desambra (sary, tatitrin’ny fivoham-bola, sns)